Actualités

Actualité

« JIR » MENE VAKINANKARATRA VERS L’EMERGENTE

Vakinankaratra abrite JIR « Journée Internationale des Régions » 4ème édition le 24-25-26 Novembre. Les deux Ministères : MAE « Ministère de l’affaires étrangères » et MID « Ministère de l’intérieur et de la décentralisation » sont les promoteurs duJIR . 3 Régions ont déjà accueilli Le JIR , il s’agissait de Sofia,Itasy et Analamanga.Pour cette Année ce sont le tour de Vakinankaratra et celle de

Lire la suite
COMMISSARIAT CENTRAL ANTSIRABE: 034 05 531 11 ; UNITE D’INTERVENTION RAPIDE UIR: 034 60 053 78 ; GENDARMERIE NATIONAL – BRIGADE ANDRANOMADIO: 034 05 700 97 /119 ; OPERATION SECURITE- OPS: 034 05 700 95 ; CLINIQUE 24/24 ET 7/7- ESPACE MEDICAL MAHAZOARIVO NORD: 034 44 936 75 ; SANTE PLUS AMBOHIMIANDRISOA: 032 02 458 58/ 020 44 498 51 ; HOPITAL- HOPITALY LOTERANA ANDRANOMADIO: 020 44 481 08 ; AMBULANCE- HOPITALY LOTERANA ANDRANOMADIO: 020 44 481 08 ; ESPACE MEDICAL MAHAZOARIVO NORD: 033 04 159 55 ; SANTE PLUS AMBOHIMIANDRISOA: 020 44 498 51/032 02 458 58 ; PHARMACIE- VAO-AVARATSENA:020 44 481 34; ANDO- MAHAZOARIVO SUD:020 44 481 43 ; Vakinankaratra-Antsenakely-Soamalaza:020 44 482 14 ; Tia face BNI : 020 44 483 12 ; mahasoa-antsenakely:020 44 489 67 ; sitraka-ambohimiandrisoa: 020 44 484 77 ; pharmacie 7/7 ezt 24/24: ilaina- vatofotsy:020 44 939 33 ; kiady- ambohimena:020 44 916 19

Doléances

Un fait d'actualité vous interpelle ? Envoyez votre message au Gouverneur

Cover for Faritra Vakinankaratra Ofisialy
24,815
Faritra Vakinankaratra Ofisialy

Faritra Vakinankaratra Ofisialy

Region Vakinankaratra est une des 22 Régions de Madagascar, une des quatre Régions dans la Provin

#fanabeazana ho an'ny rehetra#asa_mendrikaFARITRA FAHAROA AHITANA NY SEKOLY AMBONY ISCAM I VAKINANKARATRA, TONGA NANOTRONA NY FISOKAFAN'IZANY NY GOVERNORA.Tafapetraka eto Antsirabe renivohitry ny Faritra ny sekoly ambony Iscam(Institut Supérieur de la Communication et du Management), ahazo tombony manokana ireo tanora eto Vakinankaratra hanohy fianarana eny amin'ny anjerimanontolo.Toeram-pampianarana manana ny lazany sy matihanina eo amin'ny sehatry ny fampianarana ary miezaka hatrany manome kalitao tsara indrindra ho an'ireo mpianatra manovo fahalalana ao aminy. Tao anatin'ny 33 taona no nanatanterahany izany, manana vina ny ivelatra hatrany ity sekoly ambony ity ary izany indrindra no antony nisafidianana an'i Vakinankaratra. Ao amin'ny Immeuble La Planète ny Havana no ahitana ny Iscam eto Antsirabe izay nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny andron'ny alarobia 27 septambra. Lanonana tsotra nefa manana ny hajany no notanterahina tao an-toerana. Nanome voninahitra ny fotoana ny Governora Vyvato Rakotovao niaraka tamin'ny Sekretera Jeneraly eto amin'ny Fiadidiana ny Faritra.Hafatra mafonja no nentiny Governora nandritra ny fandraisam-pitenenany, samy tompon'andraikitra amin'ny fandraisana an-tanana ny ho aviny ny tsirairay, mitaky ezaka sy finiavana lehibe izany. Araka izany, zava-dehibe ny fisian'ity sekoly ambony ity amin'ny fanatsarana ny fanomanana ny ho avin'ny tanora amin'ny asa mendrika ho an'ny rehetra.Tsara ny manamarika fa sampampianarana maro no hita eo anivon'ny Iscam ary tsy ireo mpianatra afaka fanadinanam-panjakana bakalorea irery ihany no afaka misehatra amin'izany fa ireo efa amperinasa ihany koa. ... Voir plus Voir moins
View on Facebook
FIFANDRAISANA ARA-DIPLOMATIKA FANKALAZANA NY FAHA-78 TAONA NY NAHAZOAN’NY FIRENENA INDONESIA NY FAHALEOVANTENA, VOAASA TAMIN’IZANY NY GOVERNORAN’NY FARITRA VAKINANKARATRA Lanonana nanana ny maha izy azy tanteraka no notontosaina tao amin’ny Residence Wisma Indonesie Madagascar teny Mandrosoa Ivato –Antananarivo ny talata 26 septembre 2023. Nomarihana ny fankalazana ny faha-78 taona nahazon’ny Firenena Indonesie ny fahaleovantenany. Nanasa ireo manam-pahefana isan-tsokajiny teto amin’ny Firenena ny Masoivoho Indonesie Andriamatoa Artano Salmoen Wargadinata ,nahitana mpikambana eo anivon’ny Governemanta ifandrimbonana, solombavambahoaka, Masoivohonn’y Firenen-kafa, isan’ny nahazo fanasana manokana ny Governoran’ny faritra Vakinankaratra Vyvato Rakotovao. ... Voir plus Voir moins
View on Facebook
TETIK’ASA TITRE VERT : AMPARIHY-FARATSIHO NO TOERANA HANATANTERAHANA NY TETIK’ASA ANDIANY FAHAROA , NIDINA IFOTONY IREO KOMITY SY IREO TANORA MPISITRAKA .Tao aorian’ny tombana nataon’ireo komity Titre Vert dia 100 ireo tanora noraisina hisitraka ity andiany faharoa ity .Ho fampisitrahana mivantana ireo mpisitraka ireo ny toerana hisy ny tetik’asa , araka izany nanatanteraka fidinana ifotony ny komity sy izy ireo , ny talata 26 septambra tao Amparihy Faratsiho.Nampahatsiahivina azy ireo hatrany ny tanjon’ity tetik’asa ity sy ny vokatra andrasana amin’izy ireo izay narahana fanontaniana naraham-baliny nandritra ny fidinana ifotony.Nitarika ireo delegasiona tany an-toerana ny iraka manokana avy amin’ny Governora Vyvato Rakotovao , ny tale misahana ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy eto amin’ny Fiadidiana ny Faritra Vakinankaratra Razafiarison Nicolas niaraka tamin’ireo Talem-paritra isan-tsokajiny mpikambana ao amin’ny komitin’ny titre vert, ary ireo manam-pahefana tao an-toerana , izay notarihan-dRamatoa Lehiben’ny Distrikan’ny Faratsiho Razafindranaivo Harikanto Donnie Alexia .Marihina fa tamin’ity fotoana ity ihany koa nisy ny fanaovana ny “Carte de producteur” teny an-toerana hoan’ny mpisitraka niarahana tamin’ny ekipan’ny Fitaleavam-paritry ny fambolena sy fiompiana . ... Voir plus Voir moins
View on Facebook
KAOMININA INANANTONANA-BETAFO : FANJAKANA MIDINA ENY IFOTONY MITSINJO MANOKANA NY SOSIALIM-BAHOAKAFARITRA VAKINANKARATRA & FIKAMBANANA AFF Araka ny fangatahana sy ny ho fanampiana ny Kaominina Inanantonana dia namaly ny antson'izy ireo ny fitondram-panjakana sy ny fikambanana AFF(Andry sy Fototra ho an'ny Fampandrosoana). Maro ireo fanomezana sy tantsoroka natolotra ho an'ity Kaominina ity.Notsinjovina manokana ireo mpianatra ao amin'ny ambaratonga fototra EPP izay nisitraka “kit scolaire” ahafahany miatrika ny taom-pianarana vaovao. Tsy diso anjara koa anefa ireo fikambanam-behivavy sy ireo tantsaha ao an-toerana ary notolorana zezika sy masomboly ho fanatsarana ny sehatra ny fambolena.Ankoatra ireo, mila fanatsarana ny fotodrafitrasa eo anivon'ny EPP sy ny birao ny Kaominina Inanantonana, manoloana izany simenitra no anjara briky noentina hanatanterahana ny asa; teo ihany koa ny fanomezana jiro mandeha amin'ny herin'ny masoandro ho fanazavana ny tanàna.Tonga tany an-toerana ny Governora Vyvato Rakotovao sy ireo mpikambana ao amin'ny AFF-Vakinankaratra notarihin'ny mpandritram-paritra Ramatoa Louisette Razanakoto ny alatsinainy 25 septambra teo. Notanterahina nanoloana ny Kaominina Inanantonana ny fanolorana tamin'ny fomba ofisialy ireo tohana samihafa ireo. Isany laharam-pamehana amin' ny fitondram-panjakana hoy ny Governora ny fanamafisana hatrany ny sosialiam-bahoaka, izany indrindra no antony ny fidinana ifotony ho famaliana ny hetahetan'ny vahoaka izay mifanaraka amin'ny filàny.Marihina fa ny fikambanana AFF dia misehatra amin'ny fanampiana ny mpiara-belona eny ifotony ary miparitaka amin'ny Faritra miisa 15. ... Voir plus Voir moins
View on Facebook

3 jours avant

FAMARANANA NY JOBILY FAHA-25 NANANDRATANA HO OLON-TSAMBATRA AN'I MOPERA ZEFIRINO AGOSTINI MPANORINA NY FIKAMBANANA'NY MASERA ORSOLINA AVY ANY VERONAMompera Zefirino Agostini no nanorina ny fikambanan'ny Masera Orsolina Zanak'i Masina Maria tsy azon- keloka avy any Verona. Isany iraka napetrany ho tanterahin'izy ireo ny asa fanasoavana ny mpiara-belona sy ny fanabeazana ny ankizy sy ny tanora amin'ny lafiny ara-panahy sy ny maha olona. 25 taona lasa izay no nanandratana ho olon-tsambatra ny mpanorona io fikambanana io tao amin'ny kianjan'i Masindahy Pierre ao Roma. Nisy araka izany ny fankalazana ny jobily faha-25 taonany ary nofaranana ny alahady 24 septambra teo. Sorona Masina notarihin'ny Revérend Père Jean Rémi Rakotondramanana no niarahan'ireo fianakaviamben'ny Masera Orsolina Andraikiba nentina nanamarihana izany. Voaasa manokana ny Governoran'ny Faritra Vakinankaratra Vyvato Rakotovao ary tonga niara niombom-bavaka tamin'ireo kristiana Katolika tao amin'ny fiangonanan'i Masindahy François d'Assise Andraikiba. Akaikin'ny fon'ny Governora loatra raha ity fikambanan'ny Masera Orsolina mitantanana ny sekoly Saint Jean Andraikiba ity. Maro ireo fanampiana sy tantsoroka efa natolony ho fanatsarana ny sehatry ny fanabeazana ao an-toerana. Isany sangany ity sekoly ity amin' ny voka-panadinam-panjakana isan-taona hoy izy ary hijoroany vavolombelona hatrany ny fahombiazan'ny fitaizana sy fanovozana fahalalana azo avy amin'ny sekoly katolika toy itony.Marihina fa tsy mijanona amin'ny fampianarana amin'ny ankapobeny ihany ny sekoly Saint Jean Andraikiba fa misehatra ihany koa amin'ny fampiofanana amin'ny tontolo ambanivohitra. #saintjeanandraikiba #reginapace ... Voir plus Voir moins
View on Facebook